<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Mifalia FF36</title>
<lyrics>[V1]
 Vahoaka sesehena
 No miara-paly izao
 Miventy ny Antema
 Dia hira vaovao
 Injao ny fiderana
 Manakoako ery
 Maneho fanajana
 Ho an'ilay Mesia

[C1]
   lza àry no tsy hifaly (Mifalia, mihobia)
   Hisaotra ao am-po
   (Misaora ao am-po)
   Fa afa-doza, afa-jaly
   (Afaka ianao)
   He! famonjena tokoa
   (0!) Mihirà, mihobia
   Afaka ianao
   Teraka ny Tompo Tia
   Resy ny rafinao

[V2]
 Tsy ireo Anjely ihany
 No faly ao am-po
 Ny mpino eto an-tany
 Miravo avokoa
 Fa indro ny Mpamonjy
 Mpanjaka be fitia
 Nietry an-tranon'omby
 Hamonjy ny mania</lyrics>
<hymn_number>36</hymn_number>
</song>